Home » Ny vinanay
Ny vinanay
« Ny fampandrosoana an’i Madagasikara dia mitaky ny fandraisana andraikitry ny orinasa hanorina seha-pihariana eny ifotony hahafahan’ny Malagasy miaina tsaratsara kokoa sy miaro ny taniny. »
Karim Barday, Filoha
Resy lahatra izahay fa tokony atomboka dieny izao ny fanamboarana ny hoavin’ny taranaka fara mandimby.
Tokony manolo-tena sy mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ireo orinasa. Amin’ny maha mpandraharaha, mpampiasa ary mpiara-miombon’antoka anay, BASAN dia mametraka ny tenany ho mpisehatra mandray andraikitra ary miasa maharitra ho an’ny firenena sy ny fiarahamonina.
Miorimpaka eto Madagasikara izahay ary manome lanja ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny seha-pihariana eny ifotony, ary manolo-tena hanolotra vokatra sy tolotra tsara kalitao azon’ny olona rehetra jifaina. Ho an’ny fampandrosoana lovainjafy, dia mametra ny fiantraikan’ny asanay amin’ny harena voajanahary araka izay tratra izahay amin’ny alàlan’ny fiarovana azy ireo na ny fandraisana anjara amin’ny famerenana azy amin’ny laoniny.