Ny tantaranay

Orinasam-pianakaviana niorina teto Madagasikara nandritra ny taranaka telo nifandimby izahay

Nanomboka tamin’ny taona 1880 ny tantaranay, rehefa tonga teto Madagasikara ny fianakaviana Barday ary nanomboka ny asa fivarotana teo amin’ny India sy Madagasikara.
Nanorina orinasam-pianakaviana iray tao Tsaralalàna, izay misy ny foiben’ny vondrona ankehitriny, i Haidaraly Jina Barday, tamin’ny taona 1947.
Taranaka telo no nifandimby teo, izay samy nitondra ny vinany hanatsara ny fiainan’ny Malagasy.
BASAN dia vondrona orinasam-pianakaviana, Ny anarany dia avy amin’ny litera voalohany amin’ny anaran’ny fianakaviana – B ho an’i Barday – ary ASgar sy ANil, ireo zanany roa lahy.

 

1947

Nanomboka ny orinasam-pianakaviana BASAN i Haidaraly Jina Barday ary nanorina izany tao Tsaralalàna, Antananarivo, izay misy ny foiben'ny vondrona ankehitriny.

1958

Niditra tao an-tokantrano malagasy ny kiraro hoditra voalohany AIGLE D'OR izay vita malagasy 100%.

1963

Nivoaka ny biscuits voalohany novokarin'i JB, izay niteraka hafaliana lehibe ho an'ny fianakaviana malagasy.

1964

Nanomboka ny fisoloana tena sy ny famarotana ny marika iraisam-pirenena eto amin’ny Nosy.

1967

Noforonina ny vatomamy malaza PECTO, izay nanamarika ny fiandohan’ny famokarana vatomamy tao amin’i JB.

1989

Nanomboka ny asany tamin’ny fambolena, ny fanamboarana legioma voatahiry, ary ny fanondranana i LECOFRUIT, ka ny cornichon no vokatra voalohany. Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ireo mpamokatra mpiara-miombon'antoka any ambanivohitra ary manatsarana ny fari-piainan’izy ireo i Lecofruit. Mampamirapiratra any ivelany ny fahaiza-manao malagasy.

1997

Niforona ny sambana haricots verts malagasy an’i LECOFRUIT, izay mifototra amin’ny modely fambolena maharitra sy ara-drariny ho an’ny tontolo ambanivohitra.

2000

Nanomboka hita teny amin'ny mpivarotra rehetra ny marika tsakitsaky mamy GOUTY ka nanome fahafaham-po ny ankizy sy ny olon-dehibe.

2009

Fanamby vaovao : ny sampana vaovao TANJAKA FOOD dia mamokatra sakafo fitsaboana, ary miara-miasa amin'ny vondrona NUTRISET . Ny tanjona dia ny fandraisana anjara amin'ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin'ny ankizy.

2010

Nanangana ny toeram-pambolena voalohany tantanany i LECOFRUIT mba hanombohana ny famokarana legioma : ho famoronana modely vaovao mba hampitombo ny famokarana eto Madagasikara.

2012

Taorian'ny biscuits mamy sy ny vatomamy, dia niditra an-tsehatra ny tsakitsaky masira SALTO.

2015

Noforonina ny ANKIZY GENERATION hanohanana ny fanabeazana ny zanaky ny mpiara-miasa ato amin'ny Vondrona.

2017

Ny iray amin’ny bocal roa an’ny haricots verts extra-fins amidy any Frantsa dia vokarin'i LECOFRUIT ary nanangana seha-pihariana vaovao momba ny asperge malagasy izy.

2018

Ahitàna magazay AIGLE D'OR avokoa ny tanan-dehibe rehetra eto Madagasikara, ka afaka manao ireo kapa malaza avokoa ny ankamaroan'ny mponina.

2019

Nanampy ny tolotry ny vondrona ny vokatra vaovaon’i SOCOLAIT (yaourts, fromages, crèmerie), ny ronono mandry mamy, ary ny kobam-barim-bazaha ho an'ny zaza FARILAC. Ny tanjona dia ny hampandroso ny sehatry ny ronono malagasy miaraka amin'ny fiaraha-miasa amin'ny vondrona ANDROS ary ho fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny faritra Vakinankaratra.