Ny làlako dia tsy mitovy amin’ny mahazatra. Nanomboka tamin’ny 2009 aho ho mpiasa an-tselika tao amin’ny orinasa JB. Tamin’ny 2010, voatendry ho mpanara-maso ny kalitao aho, ary tao no nianarako ny fomba fanarahana ny kalitaon’ny vokatra. Tamin’ny 2021, niova toerana aho ary niditra tao amin’i TANJAKA FOOD ho mpanara-maso ny kalitaon’ny vokatra vita tao Tanjombato, izay nanitarako ny fahaiza-manaoko amin’ny sehatry ny sakafo. Nivoatra haingana aho ka lasa Tompon’andraikitry ny Famokarana.
Tanteraka izany fandrosoana tamin’ny asa izany nohon’ ny fanoloran-tenako, ny faharetako, ary ny finiavako hianatra hatrany.
Torohevitro : Ekeo ny traik’efa vaovao, na dia itanao tsy manan-danja aza izany any am-boalohany. Misy zavatra lehibe azo alaina foana isaky ny traikefa tsirairay.